Manoloana ny fanasazian’ny Tribonalin’i Mananjary roa taona an-tranomaizina, sazy mihantona, an’Atoa Raleva, mpiaro ny tontolo iainana, tamin’ny 26 oktobra 2017 teo,
noho ny fitoriana azy hoe « nisandoka andraikitra », dia namoaka fanambarana iombonana maneho tsy fankasitrahana izany firaisamonim-pirenena maro toy ny Amnesty International, CCFD-Terre Solidaire, CIVICUS, CRAAD-OI, Fikambanana TANY Miaro ny Tany Malagasy ary ny Front Line Defenders. Nilaza izy ireo fa “Ny fanasaziana roa taona an-tranomaizina, sazy mihantona, an’Andriamatoa Raleva dia mampiseho mazava ny fironan’ny manampahefàna hampiasa ny rafitry ny Fitsarana hampanginana ireo mpiaro ny zon'olombelona sy hanakanana azy ireo tsy hanao ny asany”. « Io olona io dia nosaziana noho izy namaky bantsilana ny asa tsy ara-dalàn’ny orinasa sinoa iray eto Madagasikara”. Tokony ho fafana avy hatrany ny sazy mihantona ary tsy tokony hahitana fanamelohana azy noho ny asa ataony am-pilaminana amin’ny maha mpiaro ny zon’olombelona azy ao amin’ny taratasin-draki-panamelohany (« casier judiciaire »). Tsiahivina fa nosamborina tao an-tanànan’i Vohilava tamin’ny 27 septambra 2017 Raleva noho fangatahany hijery ny taratasy fahazoan-dalana hitrandraka sy ny fahazoan-dalana ara-tontolo iainan’ilay orinasa sinoa mitrandraka volamena ao Mananjary. Ny asany ao amin’ny fikambanana miaro ny zon’olombelona roa ao an-toerana no nahatonga azy nanao izany. Tamin’ny 26 oktobra 2017 no nisy fitsarana ka nafahana avy any am-ponja Raleva rehefa nogadraina vonjimaika 25 andro, saingy nolazain’ny fitsarana fa meloka noho izy nisandoka ho “sefon’ny distrika”. Novidian-dRaleva lafo izany ny fijoroany hiaro ny tanindrazana manoloana ny fanjakazakan’ny vahiny izay azo sokajiana ho mpandroba ny harem-pirenena ny sasany. Ny ankamaroan’ny mpitondra eto amintsika manomboka any amin’ny faratampony anefa no toa mijoro hiaro ny mpandroba firenena satria matim-bola aman-karena. Izay Malagasy sahy mijoro hiady amin’ny zavatra tsy ara-drariny indray no toa gadraina sy faizina mba hampikombona ny vavany sy hampitandremana ny hafa.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.