RNM AO SAINTE MARIE

Tsy mandeha intsony fa tsy misy herinaratra


  • Alatsinainy 30 Septambra 2024

Efa amam-bolana maro izao no fantatra fa tsy mandeha toy ny teo aloha intsony ny Radio Nasionaly Malagasy

na ny RNM ao Sainte Marie. Noho ny tsy fahaloavan’ny foibe misy ny RNM ny vidin’ny herinaratry ny JIRAMA no voalaza fa anton’izany. Vokany, voatery notapahin’ireto farany ny herinaratra hahafahana mampita ny feo any amin’ny isan-tokantrano. Tsy misy mahara-baovao sy mahalala na inona na inona intsony ny mponina noho io zava-misy io. Misy ihany ny Radio tsy miankina iray ao an-toerana saingy tsy ampy hahazoana vaovao amin’ny maha-olom-pirenena izany raha araka ny loharanom-baovao azo. Miantso ny tompon’andraikitra mba hijery akaiky ity tranga ity ireo mponina ao Sainte Marie.
Pati
Legende : Tanana mandroso saingy lavitry ny vaovao ny eto Sainte Marie !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT