RN44

Kamio nivadika nahatrarana


  • Alarobia 12 Aogositra 2026

hazo ala 149, saribao 134 gony,...

Kamiao iray nivadika tao avaratr’i Marovoay amin'ny RN44 no nahitana entana tsy ara-dalàna, hazo ala sy saribao marobe, araka ny fampitam-baovao ofisialy. Araka ny tatitra, hazo ala 149 sy saribao avy amin’ny hazo ala 134 gony ary saribao kininina 5 gony no hita tao amin’ilay fiara lehibe nivadika. Nogiazana avy hatrany ireo entana ary napetraka ao amin’ny biraon’ny CIREF Moramanga, raha ny mpamily kosa dia notazonina ao amin’ny Paositry ny Polisy Moramanga hanaovana fanadihadiana. Fantatra ihany koa, araka ny tatitra, fa nisy Kubota iray nitondra saribao hazo ala tratra nandritra io hetsika io. Manamarika indray izao tranga izao fa mbola mitohy hatrany ny fitrandrahana sy ny fitaterana hazo ary saribao tsy ara-dalàna. Zava-dehibe ny vokatra avy amin’ny Fitaleavam-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy Alaotra Mangoro, ho fiarovana ny harena voajanahary sy ny ala izay tandindomin-doza noho ny asa fandripahana tsy ara-dalàna. Na izany aza, tena mahomby ve ny fiarovana? Tratra ve itony raha tsy nivadika ny kamio? Ampahafirin'ny mety fitrandrahana sy fivoahana hazo tsy ara-dalàna itony tratra itony ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT