Actualités

RN 7 - Toliara Maty tao anaty fiara ilay vehivavy


  • Alatsinainy 06 Jolay 2020

Nahazo loharanom-baovao ny zandary fa misy fiara mitondra vehivavy marary mampiahiahy niainga teto Antananarivo nihazo an’i Toliara ny 3 jolay teo.

 

 

Tratran’ny sakana ara-pahasalamana teo Sakaraha ilay fiara saingy efa maty ilay narary vao 28 taona. Tonga nanao fizahana sy fanamarinana izany moa ny avy eo anivon’ny foibem-pibaikoana momban’ny aretina COVID 19 na CCO Sakaraha. Araka ny toromariky ny CCO Toliara kosa dia na miverina aty Antananarivo ny razana na milevina ao Sakaraha fa tsy mahazo miditra an’I Toliara. Ireo mpandeha kosa dia mitodi-toha aty Antananarivo avokoa. Nalevina tao Sakaraha ihany moa ny razana ary ireo mpandeha kosa dia naterin’ny mpitandro filaminana aty Antananarivo. Nilaza ny fianakavian’ny maty fa mosavy nataon’olona no nahazo ny havan’izy ireo fa tsy COVID 19 akory, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT