Tsy maty na mamidy araka ny feo nandeha tsy akory ny radio RLI 106 Fm, hoy ireo mpanorina azy fa nandamin-javatra ho fanatsarana ny tolotra homena ny mpanjifa fotsiny no natao.
Nitady toko izahay ka sendra vato ny amin’izany raha nifampiresaka tamin’ny gazety boky sy ny “edition no comment”, hoy ny fianakaviana Rabetsaroana tompon’ity onjam-peo ity omaly tetsy Isoraka. Hiova, araka izany, ny fiantsoana ity onjam-peo ity ka ho lasa RLI by no comment. Ho tale mpitantana vaovao i Manganiaina Tatiana. Voizina anaty onjam-peo ny gazety boky no comment, hoy ny fanazavana azo teny an-toerana. Ny tanjona dia ho radio koltoraly mivoy literatiora, fampirantiana. Radio hanakaiky kokoa ny vahoaka ka hanabe ny olom-pirenena amin’ny alalan’ny fitaterana ny fiainany andavanandro mivantana na ny tsara na ny ratsy, amin’ny fanadihadiana ifotony atao. Homem-bahana koa ny fifampitafana amin’ny mpihaino hiditra mivantana an-telefaonina. Na izany aza dia tsy hiova firy tsy akory ny fandaharana nahazatra ity onjam-peo ity izay hanomana vahana hatrany ny gadon-kira jazz manandratra an’i Madagasikara sy ny fiainana an-tanàn-dehibe na ny “Urbanjazz”, hatreto Antananarivo Renivohitra aloha fa hikisaka any amin’ny Faritra hafa tsy ho ela. Na izany aza dia hampifandimby ny jazz amin’ireo gadon-kira samihafa koa ny RLI by no comment. Misy hatrany ny fitaterana ny vaovao malaza eto an-toerana sy maneran-tany saingy tsy miresaka politika sy resa-pivavahana ao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.