Rivodoza sy andro ratsy

Tafakatra 19 ny maty, 32 000 mahery traboina


  • Alarobia 10 Janoary 2024

Mitombo ny fahavoazana vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Alvaro sy ny andro

ratsy navelany. Tafakatra 19 ireo namoy ny ainy, araka ny antontan’isan’ny Biraom-pirenena misahana ny loza sy ny tandin-doza na ny BNGRC omaly 09 janoary 2024 tamin’ny 3 ora tolakandro. Na teo aza ny fahalefahan’i Alvaro mitaha amin’ireo rivodoza mahery vaika satria tao anatin’ny sokajy « Forte Tempête Tropicale » dia henjana io fahavoazana io fahafatesana olona maro io, izay 04 tany Beroroha, 03 Manakara, 01 Vohipeno, 01 Manja, ary tafakatra 10 kosa ny tany Ikongo izay lasibatra indrindra. Ankoatra ireo, mahatratra 32 897 ny traboina izay avy amin’ny tokantrano 7519. Tafakatra 1 6717 ny olona nafindra toerana avy amin’ny tokantrano 3 643 no nafindra tany amin’ny toerana fanatobiana ny traboina. 6 616 ny trano dibo-drano, 426 ny trano nisy fahasimbana, 242 ny trano rava, 59 ny fianarana niendaka tanteraka ny tafony, ary 15 ny efitranon-tsekoly simba tamin’ny ampahany. Tafakatra 3 250Ha ihany koa ny tanimbary dibo-drano, ary 03Ha ny tototry ny fasika,… Henjana ny fahavoazana raha tarafina amin’io, ary tokony hisy ny politika mazava hanarenana ny fahavoazana tahaka io resaka fambolena io satria mety hiantraika any amin’ny resaka fanjarian-tsakafo.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT