RIVODOZA JUDE TAO AMPANIHY

Potika hatrany amin’ny 70% ny fotodrafitrasam-panjakana


  • Alarobia 19 Martsa 2025

Potika hatrany amin’ny 70% ireo foto-drafitrasam-panjakana any amin’ny

distrikan’Ampanihy. Vokatry ny fandalovan’ilay rivo-doza Jude no voalaza fa antony nahatonga izany. Tafiditra ao anatin’izany ny sekoly, ny birao fiasana, ny lalana, ny tetezana.… Mihitsoka tanteraka vokatr’izany ny asa fampandrosoana ao anatin’ity distrika iray ity. Marobe ihany koa ireo ankizy mpianatra mbola tsy afaka manohy ara-dalana ny fianarany raha tsy lazaina ireo fianakaviana miaina amin’ny trano tsy zarizary. Efa tonga tany an-toerana nijery ny zava-misy moa ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary na ny BNGRC. Notsidihin’izy ireo ihany koa ny tany amin’ny distrikan’Ambovombe Androy izay fantatra fa mbola misy olona 548 isa tsy manan-kialofana. Betsaka ihany koa ireo tsy salama vokatry ny fiparitahan’ny otrik’aretina indrindra fa ireo zaza amam-behivavy. Efa notolorana vary 1 taonina sy kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro maro moa izy ireo hahafahany miatrika ny fiainany aloha.
Pati
Legende : Mikorontana tanteraka ny tananan’Ampanihy !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT