RIVODOZA HONDE

Manomboka mandravarava any Atsimo


  • Zoma 28 Febroary 2025

Mandravarava sahady ilay rivodoza Honde any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy. Tany

amin’ny 330 Km Atsimo Andrefan’i Toliara no nisy ny foibeny omaly hariva. Forte Tempête Tropicale hatrany ny sokajy misy azy. Niakatra ho 110 Km isan’ora ny rivotra miaraka aminy, izay arahina tafiotra 155 Km isan’ora manakaiky ny foibeny. Nikisaka niatsinanana somary Atsimo Atsinanana izy ka nahafaka 13 Km isan’ora. Vinavinaina hitombo hery hatrany ity rivo-doza ity ato anatin’ny 24 ora manaraka ka mety hiakatra hatrany amin’ny sokajy rivo-doza mahery na Cyclone Tropical. Nanambana ny tapany Atsimon’ny Nosy i Honde nanomboka omaly alina na anio Zoma 28 Febroary maraina. Raha ny tombana dia hivoatra miadana any amin’ny manodidina ny latsaky ny 100 Km miala ny morontsiraka i Honde. Omaly Alakamisy 27 Febroary ohatra dia efa miakatra ny rano any Belo sur Tsiribihiana. Distrika maro no mitondra faisana noho ny habetsahan’ny ranon’ orana. Tafakatra 4.912 ireo traboina noho ny fiakaran'ny reniranon'i Tsiribihina. Mahatratra 1. 052 ireo fianakaviana ao anatin'ny kaominina miisa 07 voakasiky ny fiakaran'ny rano tsy maintsy nafindra toerana amin’ireo tokony hisy azy sy efa voahomana miisa 21.Tanimboly sy tanimbary 1.297 ha no dibo-drano. Toraka izany ny ao Morondava. Efa tafakatra eny amin’ny arabe ny ranomasina koa miantso ny rehetra mba samy ho mailo ny tompon’andraikitra hisorohana ny loza mety hitranga. Ao anatin’ny Kaominina Ambanivohitra Itampolo, misy fiakarany ny ranomasina, miditra tsikelikely aty an-tanety, mihamafy ny fitsokan’ny rivotra sy ny orana, misy ny trano rava ao amin’ny sisin-dranomasina (Ambezo ao) fa mbola tsy voaisa marina hatreto, hoy ny Solombavambahoakan’Ampanihy Marco Tsaradia nampita ny tatitra avy amin’ny solontenam-panjakana any an-toerana,…
Nangonin’i Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT