RIVO-DOZA JUDE

Mbola hijanona eo anelanelan’i Mahajanga sy Maintirano


  • Alatsinainy 10 Martsa 2025

Ahiana hitondra rotsak’orana betsaka eto amintsika indray ilay rivo-doza Jude.

ho mafy hatrany mantsy ny rivotra entiny ka notombanana ho 40 Km isan’ora hatramin’ny 55 Km isan’ora izany teo anelanelan’ny distrikan’Analalava sy Mahajanga omaly Alahady 09 Martsa. Hahatratra 55km isan’ora hatramin’ny 70 Km isan’ora kosa ny rivotra eo anelanelan’i Mahajanga sy Maintirano, toerana izay hisy azy hatramin’ny rahampitso Talata 11 Martsa. Tsiahivina moa fa ankoatra ny fikorontanan’ny asa aman-draharaha amin’ny andavanandro dia mety hanano sarotra ihany koa ny fifamoivoizana amin’ny alalan’ny fiara fitateram-bahoaka. Toraka izany ny mety ho faharendrehana an-dranomasina ho an’ny mpiandriaka. Tsiahivina moa fa afak’omaly Sabotsy 08 Martsa alina no niditra an-tanety ity rivo-doza Jude ity.
Pati
Legende : Somary mahery vaika ny rivo-doza Jude !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT