Ririnina miitatra

Mandeha ny varotra zava-pisotro mampatanjaka


  • Alarobia 28 Aogositra 2024

Tsy hita be eny ihany izy ity, hoy ny fomba fiteny, fa toa mbetika miha mafana,

mbetika mamirifiry tampoka indray ilay toetr’andro nefa efa hiditra volana septambra isika izao. Ny tsikaritra aloha dia hita mandeha ny varotra zava-pisotro mampatanjaka na ilay ambara matetika fa heverina ho manome hery fiarovana anaty fiarahamonina any. Mbola hita ho mitarazoka rahateo koa tsinona ireo antsoin’ny dokotera hoe aretin’ny ririnina tahaka ny gripa sy sery na tazo mihitsy. Mampanahy ny mpanara-baovao rahateo koa ankehitriny ny mety ho sanatria fidiran’ity areti-mandoza miha mianaka aty Afrika ity dia ilay antsoina hoe «Monkey pox» na «Variole de singe». Nendran-drajako, hoy isika malagasy. Ireo zava-pisotro mifototra amin’ny resaka voasary toy ny voasarimakirana eo ihany fa saika hita ho miha maro koa ankehitriny ireo mpivarotra mandehandeha ireny ambaran’ny mpandalo hoe dite mampatanjaka na «Thé cola» ireny. Toy izany koa ny ranom-pary na «jus de canne à sucre». Ao koa ireo zava-pisotro mafana isan-karazany hifangaroan’ireo akora nalaza tamin’ireny fotoanan’ny COVID 19 ireny, tahaka ireo ahitana sakamalao, tongolo maitso, karaoty, voasarimakirana sy ny tariny rehetra amin’ity ririnina miitatra ity.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT