Rio Tinto QMM

Nampahafantatra ireo tetikasa laharam-pahamehana


  • Alatsinainy 12 Aogositra 2024

Taorian’ny fifanakalozan-kevitra maromaro tamin’ny fiarahamonina voakasiky ny fitrandrahana,

nanolotra ireo tetikasa RSE laharam-pahamehana teo anivon’ny komity mpandinika momba izany, izay notarihin’ny minisitry ny harena an-kibon’ny tany, niaraka tamin’ny minisitra miisa 2 misahana ny jono sy ny tontolo iainana, ireo solontenan’ny minisitera hafa, ary ny governoran’ny faritra Anosy, i Rio Tinto QMM, ny alakamisy 8 aogositra 2024, hoy ny fampitam-baovaon’ny QIT Madagascar minerals ny sabotsy teo. Hatramin'ny nanasoniavana ny fifanarahana vaovao tamin'ny taona 2023, mba hamaliana ny tena filàn'ny fiaraha-monina, hoy ny fanazavana, dia nisy ny hetsika fampahafantarana sy atrikasa notanterahina niaraka tamin'ny fiarahamonina, ny olobe, ary ireo mpiara-miombon'antoka hafa. Niara-niasa tamin'izany i Rio Tinto QMM sy ny faritra Anôsy. Nofantarina tao anatin'izany ireo tetikasa RSE laharam-pahamehana, izay natolotra tamin'ny alakamisy teo. Nanasongadina ireo tetikasa hotanterahina any ifotony io fihaonana io, toy ny famatsiana ny herinaratra eny ambanivohitra, ny fampisitrahana rano fisotro madio, ny fanohanana ny fandraharahana sy ny maro hafa. Hankatoavina amin'ny filankevitry ny minisitra ny lisitr'ireo tetikasa ireo mba hahazoana antoka ny fangaraharana sy ny fampiasana araka ny tokony ho izy ny vola natokana ho amin'izany, araka ny fepetra voarakitra ao anatin'ny fifanarahana vaovao, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT