RICHARD RANDRIANARISOA

« Mila milofo mianatra dia mivavaka raha te ho tafita »


  • Alatsinainy 15 Jolay 2024

Mihanaka ny tsy fananan’asa mahazo ny tanora ankehitriny.

Ny 73%-n’ireo latsaky ny 30 taona dia voakasik’izany avokoa na an-tanan-dehibe na eny ambanivolo. Ny finiavana mianatra hatrany, ny fandraisana andraikitra ary indrindra ny fanankinana ny fiainana amin’Andriamanitra no hany vahaolana hoy Randrianarisoa Jean Richard, Ben’ny tananan’Itaosy, distrikan’Atsimondrano. Raha misaraka amin’ilay mpahary mantsy isika hoy izy dia tsy hahefa na inona na inona. Rehefa ny tanora iray no vonona ka mianatra sy mandray andraikitra dia tsy maintsy tafita foana ary hamoahan’Atra lalana hahafahany mamelona ny ankohonany hoy hatrany izy. Rakotoarisoa Richard moa no voafidy ho Ray mpiahy ireo mpianatra 250 mianadahy navoakan’ny FMOS tamin’ny Sabotsy teo. Notsiahiviny tamin’izany fa tena mahagaga ny lalan’Atra nitondra azy ka nihaonany tamin’ny filoha mpanorina ny FMOS izay mpiahy ny sahirana ireo. Tena mendrika ny hotohanana ny fikambanana manam-piniavana tahaka ireny hoy izy satria manavotra ny mpiara-belona tena sahirana ka anisan’izany ny fanofanana tanora ho afaka handresy ny fahantrana tahaka izao.
Pati
Legende : Izy no Randrianarisoa Jean Richard, Ben’ny tananan’Itaosy no sady Ray mpiahy ny andiany faha-53 navoakan’ny FMOS !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT