Nidiran’andro ara-bakiteny ! Tovolahy iray, 25 taona, no resin-tory avy nijery ny lalao manasa-dalan’ny Mondial 2014 nihaonan’i Pay-Bas sy Arzantina tamin’ny fahitalavitra
ka niesona tsy tafafoha maraina ny alakamisy teo. Tamin’ny folo ora mahery izy vao taitra nefa ny fisoratam-panambadiany amin’ny sivy ora. Adiny iray taty afara izy sy ny fianakaviany vao tonga, nefa ramatoakely fofombadiny mitondra vohoka sy ny havany izay efa niakatr’afo efa niandry tao amin’ny Lapan’ny tanàna ary nihevitra an’ity lehilahy ity ho nitsoaka. Raha ny fanazavana azo dia nihevitra ny ray aman-dreniny tao an-trano fa lasa nanao volo vao maraina ny zanany, ka tsy niditra tao amin’ny efitranony intsony. Na teo aza izany vita ihany ny raharaha ary ranomasom-pifaliana no hita namonto ny tavan’ity vadiny, satria saika hibaby henatra izy sy ny havany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.