Resaka sonia azo sintonina

«Hiteraka korontana eto amin’ny tany sy ny firenena»


  • Alakamisy 18 Jolay 2024

Raha voalaza fa nahazo praiminisitra vaovao isika, hoy ny antoko politika FLN na Front de libération nationale,

dia ho anay io raha kodiarana dia nanaovana fanentsenana ary raha vata fiara dia nanaovana fanarenana. Ny teo ihany izany, hoy ny filohan’ny FLN, Iada Jean Pierre, no namboarina. Mety hanana endrika vaovao izy saingy tsy amin’ny maha Ntsay Christian azy fa amin’ny maha hoe politika vaovao mihitsy no mety ho entiny hanarenana ilay firenena. Tena governemanta vaovao no azo iantsoana azy raha politika vaovao no ho entiny eo. Raha ohatra kosa ka mbola ny teo aloha ihany no ho lazainy fa hitohy ao anatin’ny antsoina hoe «continuité de l’état» na fitoizana asa dia manohy ny ratsy vitan’ny teo aloha izy izany ary izay no hitanay fa tena lesoka lehibe. Ny fahalanian’ny filohan’ny antenimieram-pirenena na PAN 100% dia tena raharahan-tokantranon’ny antenimieram-pirenena. Ny hevitra ambadik’izay no tokony jerena satria ho an’ireo mpanohitra izay nifidy azy dia nahatsapa fa na hanolotra kandida aza tsy ho lany ary raha tsy handany azy dia hamparefo ilay antenimieram-pirenena iasany mandritry ny 5 taona. Fihatsaram-belatsihy tsara no nataon’ny mpanohitra. Sarotra be ho azy koa ny hiara-hiaina amin’ny PAN raha tsy nifidy izy satria lasa misy disadisa avy hatrany aty am-piandohana ny fiarahan’izy ireo nefa fantantsika tsara fa ny hevitra rehetra laniana ao sy ny tombontsoa rehetra ao dia isan’ny mitantana azy 100% ny filoham-pirenena. Tsy mahagaga iny fahalaniana 100% iny fa ny manahirana kosa dia ny fanovana ilay lalàna anatiny. Ny lalàna anatiny tsy hidiran’ny aty ivelany. Ny fanoherana anaty antenimieram-pirenena dia tsy fanoherana ety ivelany. Ny filazàna fa fanovàna ilay lalàna anatin’ny antenimieram-pirenena manjary misy fiantraikany amin’ny fiainam-bahoaka aty ivelany no mila asiana fanintsiana dia ilay hoe azo sintonina ny sonia efa natao. Fampianarana ratsy ho an’ny fiarahamonina rehetra eto amin’ny firenena izany satria raiamandreny natao ho fitaratra ny antenimieram-pirenena. Ny raiamandreny natao ho fitaratra mihitsy izany no mampianatra hoe raha misy olona manao fifanarahana aminao ka misy tsy mahafaly anao dia sitomy ny sonia natao rahampitso sy rahafakampitso! Tsy hisy lanjany intsony izany ny sonia rehetra raha izany ka mila ahitsy faran’izay aingana ny toy izany fa hiteraka korontana eto amin’ny tany sy ny fanjakana, hoy hatrany ny FLN.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT