Actualités

Resaka miralenta Mpanao gazety am-polony indray no nahazo fiofanana omaly


  • Alarobia 24 Mey 2023

Mpanao gazety am-polony indray omaly no nomen’ny ONG C for C fiofanana teny amin’ny ASA Andrainarivo.

Nohamafisina nandritra izany ny tokony hivoizana sy hampiharana hatrany ny resaka miralenta eny anivon’ny fiaraha-monina izay nambaran-dRtoa Taitsy Hangeseva, tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ity ONG iray ity fa efa manomboka maharesy lahatra mpanao gazety maro. Raha tsiahivina kely ny hatao hoe : genre dia fahasamihafana napetraky ny fiaraha-monina mahakasika ny lahy sy ny vavy. Anisan’ireny ohatra ny filazana hatrany fa fanaka malemy ny vehivavy, tsy mahazo miasa, manao raharaha foana rehefa ao an-trano sy ny hoe : tsy maintsy tompoina ny lehilahy, ireto farany foana no manapa-kevitra ao an-tokantrano, tsy tokony hanao raharaha izy ireny…. Ezahina foanana mihitsy izany mba ho tombontsoan’ny firenena ho an’ny ONG C for C. Mampiakatra avy hatrany ny fiharin-karena mantsy ny fahafahan’ny vehivavy miasa sy mampidi-bola ao an-tokantrano. Toraka izany koa ny fandraisany andraikitra amin’ny raharaham-pirenena fa tsy voatery ho an’ny lehilahy foana…. Efa in-telo niatrika fiofanana tahaka izao moa ireto mpanao gazety am-polony ireto ary efa saika hita taratra amin’ny lahasoratra soratany na ny vaovao havoakany avokoa izany fanajana sy fampiharana ny miralenta eny anivon’ny fiaraha-monina izany.

Pati

Legende : Nandritra ny fiofanana natrehin’ireo mpanao gazety teny Andrainarivo omaly

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT