Resaka milisy matanjaka sy mitam-piadiana

Miantso ny tafika handray andraikitra i Rossy


  • Zoma 03 Oktobra 2025

Nitondra hafatra manoloana ny toe-draharaha

ankehitriny eto amin’ny Firenena ny mpanakanto sady depiote teo aloha Rahasimanana Paul Bert na Rossy. Voaraiko, hoy izy, ny antsoin’ireo zandry, antson’ireo artista, voaraiko ny antson’ny sendika, ary ny tenako manokana dia manohana izay tapaky ny besinimaro. Nanipika kosa izy fa ratsy toerana raha hitarika na inona na inona fa fantatrareo tsara ny fomba fieritreretako ka izay tapaky ny maro dia manapaka izay fanapahan-kevitra sy fangatahanareo ny tenako, hoy hatrany izy. Nanaitra ny tafika kosa izy eo anatrehan’ny vaovao niparitaka momba ny ahiahy amina fisiana milisy matanjaka mitam-piadiana eto. «Fantatrareo tsara fa nivoaka tamin’ny RFI omaly sy androany fa misy milisy mitam-piadiana tsy an’ny fanjakana tafiditra amin’ity raharaha ity, ary milisy faran’izay matanjaka raha ny filazan’ny mpanao gazety vahiny azy. Miangavy anareo izahay, miantso vonjy aminareo izahay, mba hijery akaiky sy handray andraikitra satria ianareo no tandroka aron’ny vozona », hoy i Rossy. Naneho fa efa tafiditra zavatra maloto hidirana firenena hafa satria maheno izahay fa toa vazaha no lehiben’ireo milisy ireo, ary eo ihany koa jiolahim-boto kely avy amin’ny Boriboriborintany faha-4, efa fantatry ny olona ny toetrany sy iza, fa mba niteraka sy manana sy manana ny taizako tao amin’ny Boriborintany faha-4 ka anjaran’ialahy isany ny mandray andraikitra. Nanamafy ny antso amin’ny miaramila mba handray andraikitra, hiaro ireo tanora mpanao fihetsiketsehana i Rossy satria tsy mety ny mifamono, ary tsy mety ny fisiana olona vahiny miditra amin’izao raharaha izao, ka miantso ny tafika handamina ny Firenena, hoy i Rossy.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT