Actualités

Resaka fikajiana tontolo iainana Anatin’ireo firenena vatsian’ny ONU vola i Madagasikara


  • Alarobia 19 Jolay 2023

Tafiditra anatin’ireo firenena miisa 5 voalohany vatsian’ny firenena mikambana na ONU vola mikasika ny antsoina hoe “crédit carbone”,

izay mifandraika amin’ny resaka fikajiana tontolo iainana amin’izao fotoana izao i Madagasikara, raha ny fampitam-baovao voaray farany. 1,12 miliara dolara eto no resaka, hoy ity loharanom-baovao ity, saingy mirotsaka mangingiana ary tsy hita izay tena vokany. Efa hatramin’ny taona 2015 no nisian’izany. 200 tapitrisa dolara no niatombohany ka ny 36,6 tapitrisa dolara tamin’izay no efa nirotsaka ka misanda 10 dolara ny taonin’izay akora voalaza teo na karbaonina izay. heverina ho tafakatra 40 dolara izany hatramin’ny taona 2025. Izay no manome ilay 1,12 miliara dolara. Maro ao anatin’izany, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany, ny resaka fifanadrahonana, fifanaratsiana, fifanalam-baraka, mety ho fifamonoana mihitsy ao ambadik’ity raharaha ity saingy misy kosa ny porofo efa miparitaka momba ny fisian’izay dosie mikasika izay vola harotsaky ny firenena mikambana amin’ireo firenena toa an’i Madagasikara izay.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT