Tafakatra 70 isa sahady hatramin’ny omaly ireo taratasy fitarainana momba ny ady tany eto amintsika voarain’ny fikambanana HAFARI Malagasy.
Tsy niandry ela mantsy fa tamin’ny sabotsy teo ihany dia efa nanomboka niasa ny fikambanana raha ny fanazavan’ny filoha nasionaliny Rafanomezantsoa Jean Nirina. Tsy ataon’ny fikambanana ambanin-javatra ny fikarakarana ilay tanàna vaovao naoriny any Soaniedanana, anisan’ireny ny fananganana ilay tsena vaovao. Ho an’ny Centre d’éducation etsy Anosizato manokana izay mampianatra teny Anglisy amin’ny sarany mirary ireo ankizy sy tanora mpianatra dia hivoaka amin’ny 21 oktobra ho avy izao ny andiany manaraka izay misy mpianatra 120 mianadahy. Rafanomezantsoa Jean Nirina no ray mpiahy azy ireo. Marihina moa fa natsangana eo anivon’ny fikambanana HAFARI Malagasy ihany koa amin’izao fotoana ny sampana iray hampianatra momba ny zon’ny voafonja hahafantaran’ireo fianakaviana voakasik’izany ny zon’izy ireny sy ny tokony hataony. Nanamarika moa ny filohan’ny HAFARI Malagasy fa efa nisy ny fifamelana teo aminy sy ny solombavambahoaka Naivo Raholdina ka tapitra hatreo ny disadisa nisy teo amin’izy ireo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.