Resaka «211 bis»

«Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ary maro»


  • Alakamisy 18 Aprily 2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

hoy ny Fitantanana ankapoben’ny hetra na DGI, omaly. Miankina amin’ny fanambarana ara-ketra ataonao no hanomezana an’io, hoy ny tale jeneralin’ny DGI, Germain. Manana andraikitra goavana izahay, hoy izy, amin’ny fanomezana izany. Ny dikan’ny «régularité fiscal» na fahatomombanana ara-ketra dia ianao nahavita nandoa ny hetranao nandritry ny 3 taona. Izay no voalazan’ny lalàna hoe 3 taona ianao no manao filazana ara-ketra. Misy antony manokana matoa tsy mahazo. Tonga ny fifidianana vao mirodorodo handoa hetra. Izahay nefa mijery hoe nahavita izany ve ilay olona? Mafy ho anay ny manao ireny asa ireny. Na andro tsy fiasana aza izahay miasa hahafahana manome fahafaham-po an’ireo kandida rehetra ireo. Be dia be ny kandida miaraka amin’ny fitondrana tsy nahazo fa tsy nila niantso haino aman-jery satria fantany tsara fa ny fanomezana an’io dia miankina amin’ny famitana adidy ara-ketra eto amin’ny firenena, hoy hatrany ny fanazavan’ny DGI.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT