Renivohitr’i Madagasikara

Anaran-tsy very sisa


  • Alatsinainy 12 Febroary 2024

Izahay ampirisihinareo mody, hoy ny sasany amin’ireo malagasy monina

anya m-pitan-dranomasina ankehitriny, kanefa na ny renivohitra any aminareo aza jereo ity izy! Anaran-tsy very sisa ilay hoe renivohitr’i Madagasikara na Antananarivo. Saika ireo renivohi-paritra manerana ny nosy mihitsy moa no mampametra-panontaniana ankehitriny hoe mbola azo antsoina hoe renivohitra izany ihany ve? Ny fako misavovona, ny lalana potika, ny tatatra tsentsina sy masiso, ny lalana potika, ny jiro sy rano tapaka lava, ny herinaratra tsy mahatosika angovo. Izany rehetra izany sy izay tsy voatanisa maro no endriky ny atao hoe renivohitra eto amin’ity firenena ity amin’izao fotoana izao. Ilay Antananarivo mihitsy aza no isan’ireo lohalaharana amin’ny fahalotoana eto Afrika sy manerana izao tontolo izao. Anaran-tsy very sisa lahy ny anao!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT