RENIRANON’I SANDRAGNANTA IKONGO

Nitelina Raim-pianakaviana iray indray


  • Alakamisy 01 Febroary 2024

Nitelina olona indray ny reniranon’i Sandragnanta any amin’ny distrikan’ Ikongo.

Raim-pianakaviana iray antsoina hoe : Thierry avy ao amin’ny Fokontany Ambatoharanana Kaominina sy Distrikan´Ikongo no lasibatra afak’omaly Alatsinainy 28 Janoary. Manodidina ny 42 taona eo Itompokolahy. Raha araka ny voalazan’ireo olona niezaka nanavotra ny tra-doza dia nitatitra vato tamin’ny Lakana izy no nisy lolon-rano nandalo tampoka niendrika, rivotra nifofofofo namaky ilay rano, ka nihilana ny lakana nentin’Itompokolahy. Omaly Alarobia atoandro tokony ho tamin’ny 12 ora atoandro vao hita teo akaikin´ny toerana nampihitsoka azy ny razana izany hoe : efa niloan-drano nandritra ny 48 ora. Miantso ireo vahoakan’Ikongo mampiasa ny reniranon’i Sandragnanta araka izany ireo tompon’andraikitra any an-toerana mba samy hitandrina. Ho an’ireo tsy maintsy mampiasa azy hoy izy ireo dia tokony ho tandroavana hatrany ny fahadiovany noho ny hamaroan’ireo karazana fady tsy azo dikaina amin´io renirano io. Miantso ny mponina mba hampita izany amin’ireo vahiny ihany koa ireo tompon’andraikitra any an-toerana.
Pati
Legende : Ity no reniranon’i Sandragnanta aminy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT