Renin’i Nombana sy Onja

"Mba hajao ny ain’ny zanakay latsaka fa aza atao valiboraingina!"


  • Alatsinainy 28 Jolay 2025

Inona no hiezahanareo hanalàna an’i Fenohasina amin’ny raharaha Ambohimalaza,

hoy ny renin’i Nombana sy Onja, izay isan’ireo tanora namoy ny ainy tao anatin’ity raharaha ity? Fenohasina no tomponandraikitra voalohany tamin’ireo olona nasaina tamin’ny 14 jona 2025 teny Ambohimalaza, izay vao nisy «cousine an’i Cousine an’i Cousine», hoy izy ny sabotsy teo. Lasa ezahina esorina amin’ity raharaha ity i Fenohasina manoloana ilay fandaharana manokana nataon’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ireo minisitra tamin’ny Alakamisy lasa teo. Namaivanin’ny mpitondra fanjakàna tanteraka ity raharaha Ambohimalaza ity, izay tsy tsapan’izy ireo ny ain’ny zanakay maty. "Datura sy Beladone", hoy i Andry Rajoelina no nisy ilay singa nahafaty sy namparary ireo olona teny Ambohimalaza ary maro ireo nitondra ny heviny ka nisy mihitsy no nilaza hoe "manandrama rehefa tsy mahatoky", isan’izany i Lalatiana Rakotondrazafy, hoy hatrany ity renim-pianakaviana ity. Namaly an’i Lalatiana Rakotondrazafy araka izany ny renin’i Nombana sy Onja hoe "mba hajao ny ain’ny zanakay latsaka fa aza atao valiboraingina!". Mafy aminay izany maty zanaka roa izany, hoy ihany ity renim-pianakaviana ity, ka tsy tokony hatao tsinotsinona.
Nangonin’i J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT