Renim-pianakaviana nanary zanaka

Mody nitangorona niaraka tamin’ny olona


  • Alatsinainy 29 Janoary 2024

Renim-pianakaviana iray no nanary ny zanany lahy kely tamina toerana fanariana

fako tany Amboniavaratra Soanindrariny ny alakamisy lasa teo, raha ny fampitam-baovao voaray. Mody niatrika ny hatairana sy nitangorona niaraka tamin'ny fokonolona teo ny renin'ilay zaza saingy nandositra haingana izy, raha ny fanazavana. Natao ny fikarohana ka fantatra ny vehivavy niteraka vao haingana teo amin'ny manodidina. Nitolo-batana izy nony tonga ny tamin'ny 6 ora hariva. Noho ny tenin'ny vadiny, hoy izy, no antony nanariany ity zanany faha 6 ity. Ario rehefa tsy velonao io zaza io rehefa teraka, hoy, hoy izy, ilay rain’ny zaza. Samy notazomina atao fanadihadiana izy mivady ary ho atolotra ny fitsaràna. Ilay zaza kosa noraisin-dry Masera any Soanindrariny, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

Hijery ny tohiny
FTT