RENIKELY VAO TERAKA TSY NAHAZO ZAZA

Notaperiny ny ain’ny zana-badiny , nalefa any am-ponja


  • Talata 22 Oktobra 2024

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany Ankadilalana, Fokontany Mahazoarivo,

kaominina ambanivohitr’i Belobaka ny 11 Oktobra teo tokony ho tamin’ny 06 ora hariva. Zazalahikely tokony ho 4 taona no hitan'ny fokonolona tany anaty ala efa tsy nisy fofon’aina intsony. Raha araka ny tsaho niely tany an-toerana dia nisy mpangala-jaza nandalo tany amin’iny faritra iny no sady mangalatra taova, antony nahafaty ity zaza tsy manan-tsiny ity. Nihorohoro vokatr’izany ny fokonolona tao an-tanana. Rehefa nanao fanadihadiana anefa ny mpitsabo sy ny zandarimariam-pirenena dia voaporofo fa tsy marina ilay tsaho. Tsy nisy taova very mantsy ilay zazalahy kely. Nitohy ny fanadihadiana taorian’izany ka ilay Renim-pianakaviana, vadin'ny Rain’ilay zaza maty ihany no nampangaina ho nanapitra ny ain'ilay zaza sy nanary azy tany anaty ala.Vao avy niteraka mantsy ny anaovavy ka tsy azo ilay menaky ny ainy. Niteraka fialonana tao anatiny izany ka notaperiny hatramin’ny ain’ilay tsy manan-tsiny izay nosokajiany ho zana-drafiny. Natolotra ny fampanoavana omaly Alatsinainy 21 Oktobra moa ity Renikely nahavanon-doza ity ka naiditra am-ponja vonjimaika. Ilay toe-tsaina aleo samy tsy manana moa no fantatra fa nandalo tao an-dohan’ity vehivavy ity, antony nahavitany namono olona tahaka izao.
Pati
Legende : Ity ilay Renikely nahavanon-doza !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT