Anarana mifamatotra amin’ny tsy fandriampahalemana any atsimo Remenabila. Mifamahofaho be ny vaovao momba azy. Ny azo antoka aloha dia misy Remenabila. Ny hoe mbola velona sa efa maty no manalasala, ary sarotra ny manamarina ny vaovao.
Nandritra ny “Opération Tandroka” tany Betroka tamin’ny 2012 dia voalaza fa voatifitra ary maty izy. Nisy nilaza indray anefa taorian’izay fa mbola velona any ny tenany. Tamin’ny volana janoary 2014 indray nanamafy i kolonely Lylison, iray tamin’ireo nitarika ny “Opération Tandroka” tany Betroka fa maty Remenabila. Maty marina ve sa tsia ? Raha maty dia oviana marina ? Vao omaly indray mantsy ny kaomanda Tsahatsy Germond Fidélis, tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny zandarimariam-pirenena no nilaza fa maty Remenabila ary mety amin’ity herinandro ity ny lanonana fandevenana azy, ka misy hifandraisany amin’izany ilay fanafihan-dahalo mahery vaika izay nahafatesana lehiben’ny zandary roalahy niseho tany Tsivory ny zoma lasa teo. Mpirahalahy dia i Revato sy Celestin, izay olon-dRemenabila no nahavanon-doza. Maty fanintelony ve izany i Remenabila sa maty efa an-taonany izy fa notehirizina am-bohitra ny razana ka izao vao halevina ? Raha maty tokoa, hitondra fandriampahalemana any atsimo ve ny fahafatesan’ity lehilahy nalaza ity ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.