RAZANATSALAMA ROHY NIAINA, MPAMPIANATRA

Mampianatra, manao taxi-bisikileta no sady manasa lamban’olona


  • Zoma 21 Febroary 2025

Tsy mora ny miatrika izao fiainana izao. Mila manana anton’asa tsotsotra roa raha kely

vao afaka mivelona amin’ny ampahany antony mahatonga an-dRamatoa Razanatsalama Rohy Niaina, mampianatra amin’ny sekoly « Lycée Privé Ny Antso eny Anosizato, manao taxi-bisikileta no sady manasa lamban’olona ihany koa. Raha araka ny resaka nifanaovana taminy dia mifoha amin’ny 4ora maraina isan’andro izy manomana ny fampianarana, ny fikirakirana ny kahie ny mpianatra, mitsara ny devoara…Aorian’izay dia mikarakara ny zanany handeha hianatra sy sakafo maraina sy atoandro no hataony. Rotoroto lalandava no hiainany satria amin’ny 07 ora maraina no miditra ny sekoly, nefa dia vita ihany izany na dia mafy aza. Miisa 46 ny mpianatra iray kilasy raisin’ity Renim-pianakaviana iray ity. Mandritra ny fampianarana dia ezahiny hatrany ny manome sakafon-tsaina ho an’ireo kilonga. Tsy mora ny asan’ny mpampianatra hoy izy indrindra fa ho an’ireo mandray ankizikely. Samihafa avokoa ny ankizy tsirairay, ao ny mora mandray, ao no somary taratara kely, ao ireo ankizy mila « Calin ». Izany rehetra izany no hatao dia mba hampitana ny fahalalana amin’ireo ankizy. Ny 26 amin’ireo no ankizilahy raha misa 18 kosa ny ankizivavy.
TSY MAMPIANATRA FOTSINY FA MANAO ASA HAFA KOA
Misy amin’ireo mpianatra ao amin’ny sekoly no sahirana fa raisin-dRazanatsalama Rohy Niaina mivady an-tanana ny fiainany. Eny amin’ny faritra iva moa no misy ny sekoly, ary iva tahaka izany koa ny karaman’ny mpampianatra. Tsy afaka ny mampiakatra ny saram-pianarana anefa ny sekoly noho ny fahafantarana fa tsy ho zakan’ireo Ray aman-dreny sahirana eny Anosizato izany. Mivelona sy miaina amin’ny sasa lamban’olona, ny fanaovana dokera, ny fitarihana sarety, ny fivarotana amoron-dalana mantsy ny ankamaroan’ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra. Misy fiatraikany eo amin’ny sekoly sy ny mpampianatra izany noho ny fahataran’ny fandoavana ny saram-pianarana, ka tsy maintsy manao vadin’asa toy ny manasa lamba, manao taxi bisikileta, taxi moto ny mpampianatra rehefa avy mampianatra. Raha tokony hifantoka amin’ny fampianarana ireo kilonga ny mpampianatra vokatr’izany dia tsy maintsy manao asa hafa rehefa tsy mampianatra . Fehiny hoy izy, mafy ny fiainan’ny mpampianatra, nefa ho raisinay ho antso masina no maha-mpampianatra anay. Masina ny fanabeazana, lova ho an’ny taranaka izany koa mangataka ny fanjakana izahay mba hijery manokana ny sehatry ny fanabeazana fa tsy sanatria hatao anjorom-bala. Ireo ankizy beazinay ireo no ho lasa filoham-pirenena indray andro any, ireo no ho lasa manam-boninahitra, nefa raha ny fiainanay mpanabe aza tsy zarizary dia manao ahoana ny ho avin’ny ankizy ?
Nangonin’i Pati
Legende : Rtoa Razanatsalama Rohy Niaina, mpampianatra no sady mpanasa lamban’olona !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT