Actualités

Razana tsy azo avoaka an'Antananarivo Alevina eny Anjanahary aloha


  • Alarobia 08 Jolay 2020

Eny Anjanahary no halevina ny razana izay tokony halevina any amin’ny faritra, kanefa tsy afaka hoentina mivoaka an’Analamanga noho ny fisian’ny valanaretina coronavirus, araka ny fanazavan’ny Jeneraly Elack Olivier

 

 

 Andriankaja Mpandrindra ankapoben’ny CCO Covid. Fiaraha-miasa amin’ny CCO sy ny kaominina Antananarivo Renivohitra no nahafahana manao izany. Fanapahan-kevitra izay sarotra ka tsy maintsy noraisina, hoy io tompon’andraikitra io. Ny fitondrana razana mantsy no voalaza fa isan’ny antony niteraka ny fipariahan’ny valanaretina. Efa misy dingana ataon’ny kaominina amin’ny alalan’ny BMH mahakasika ny mety hakana ny razana afaka herintaona farahafahakeliny. Afaka manantona ny BMH noho izany ireo sanatria manana havana maty mandritra ny fihibohana. Ho an’ireo olona hoe tsy halaina intsony dia efa misy ihany koa ny toerana hanaovana izany. Tsy andoavam-bola ny fandevenana eny Anjanahary, raha ny fanazavana. 12 hektara eo no efa feno fasana ary misy razana tsy fantatra koa misisika amin’ny ampahantany ao, raha ny fanadihadiana natao. Efa tany amin’ny taonjato faha-19 no fananan’ny kaominin’Antananarivo ity simetiera ity. Misy sokajy telo eo amin’ny ankapobeny ireo fasana dia ny fasana iombonana na “Fosse commune”, andevenana ireo faty tsy fantatra ny havany, na tsy manan-tompo, ny Fasana efa manan-tompo, ary ny Fasana vonjimaika izay voafaritry ny tetibolan’ny kaominina ny saram-panofana azy.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT