Somary nanaitra ny nahita fandevenana razana nitranga ny maraimben’ny sabotsy teo tetsy amin’ny simetieran’Anjanahary.
Tokony ho tamin’ny 2 ora sasany maraina no nahitana ity tranga ity, raha ny fampitam-baovaon’ny nanatri-maso. Miaro tena fatratra ireo mpandevina, izay nanao ankanjo fotsy matevina fiarovana manarona ny ratsam-batany manomboka any am-paladia ka hatrany an-tampon-doha. Voalaza ihany koa fa notondrahana fanafody ny vatapaty ary nokasaina ho aterina tany Faratsiho no navily tampoka ka nalevina tetsy Anjanahary indray. Noheverina fa matin’ny aretina nitaiza azy izy io saingy rehefa natao ny fitiliana dia voalaza fa isan’ireo nitondra ny tsimokaretina Coronavirus. Andrasana moa ny fanazavana mitombona avy amin’ireo tomponandraikitra momba ity tranga ity sy ny tena antom-pisian’ity fandevenana vao mangiran-dratsy ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.