«Reharehantsika Malagasy ny fananana fari-dranomasina midadasika ka hahazoana hazan-dranomasina isan-karazany, tsy hita pesimpesenina», hoy Rtoa Razakanavalona Bakoly, mpanorina ny orinasa
«Poissonerie Manda». Manainga ny Malagasy izahay, hoy izy mba ho tia ny hazan-dranomasina voakarakara ara-dalàna fa sady manome otrikaina mahavelona no tsy mba mankarary izy ireny. Isan’ireo mpampiranty nandray anjara tamin’ny Fier Mada 2014, izay nifarana omaly, ny «Poissonnerie Manda» naneho ny fomba fandrahoana hazandrano hafa noho ny mahazatra. Karazana tono trondro miaraka amin’ny legioma mifangaro no nasehoan-dry zareo, toa tena mifaninana amin’ny tono akoho fakana nofony mahazatra ka nahaliana sy nahasarika mpitsidika maro tokoa. «Mila asongadina sy hindraindraina ny vokatra malagasy», hoy Rtoa Bakoly, fa izany no nahazoanay ny amboara samihafa teo amin’ny fandraharahana ity hazan-dranomasina eto amintsika ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.