Vonona ny hanamafy ny fifandraisana ara-toekarena amin’i Madagasikara i Afrika Atsimo, hoy ny masoivohony Gert Johannes Gröbler. Nambarany nandritra ny fihaonany tamin’ny minisitry ny Fitantanam-bola sy Tetibola Malagasy Razafindravonona Jean fa marobe ireo
mpandraharaha afrikanina tatsimo no te hampiasa vola eto Madagasikara. Soso-keviny ny hanavaozana ny «Memorundum of Understandings» tamin’ny taona 2007 ho arofanina amin’ny fiaraha-miasa ara-toekarena eo amin’ny firenena roa tonta ka hatsangana tsy ho ela ny vaomiera iombonan’i Madagasikara sy i Afrika Atsimo hiadian-kevitra amin’ireo sehatra fototry ny fiaraha-miasa. Mitentina hatrany amin’ny 400 tapitrisa dolara moa ny fampiasam-bola azon’ny Banky misahana ny fampandrosoana afrikanina tatsimo hanampiana ny firenena Malagasy. Nilaza kosa ny minisitra Malagasy fa ilaina ny fanavaozana ihany koa ny lalàna mifehy ny fampiasam-bola mba hifanaraka amin’ny zava-misy ankehitriny. Fanoitra amin’ny fampandrosoana ny tontolo ara-toekarena ny sehatra tsy miankina, hoy ny fanazavany. Izany indrindra no tsy maintsy hamerenana ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina na ny 3P, hoy ny minisitra Razafindravonona Jean. Fomba fiasa napetraky ny fitondrana notarihan’ny filoham-pirenena Ravalomanana Marc, izay tsy isalasalana fa tena nahomby sy nahitam-bokatsoa tokoa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.