Asa na noho ny fahantrana na fitiavam-bola diso tafahoatra na efa tena aretin-tsaina mihitsy fa zazavavy 12 taona (teraka ny 25/04/2002) no namidin’ny rainy niteraka azy 400.000Ar. Ny sabotsy lasa teo no nitrangan’izany tany amin’ny fokontany Antsahamantsavana kaominina ambanivohitr’i Antindra Sambava.
Tsy afa-panadinana dia namidy
Raha ny fandehan’ny tantara dia nisara-panambadiana ny ray aman-drenin’ilay zaza ka ny rainy no nikarakara sy nampianatra azy. Nanao fanadinana CEPE tamin’ity taona ity ilay kalakely fa tsy afaka. Teo no nitsiry ny hevitra fa hajanona amin’ny fianarana izy ary alefa hanambady raha sendra misy mpangataka. Tamin‘io indrindra dia nisy mpanambola iray izay avy any Bealanana Andapa nihaona mangingina tamin’ilay rainy. Namory ny solontenan’ny fianakaviana ity farany, tao anatin’izany ny raiben’ilay zaza. Tapaka ny hevitra fa homena ity mpanambola ity ilay zazavavy ary sandaina vola 400 000 Ar. Nandritra ny alin’ny zoma 12 septambra dia nampatoriana niaraka tamin’ilay rangahy ilay zaza. Teo vao fantany ny tetika rehetra. Nitomany sy nitalaho mafy tamin’ny rainy izy mba tsy hiaraka amin’ity olona tsy fantany ity fa mbola te hianatra mafy. Niziriry anefa ny raibeny fa tsy maintsy mandeha fa tsy misy azo atao intsony, izy rahateo tsy afaka CEPE.
Efa tara loatra
Nandeha niantso vonjy tamin’olona mpifanila vodirindrina ilay zazavavy mba niangavy mafy azy ireo hampandre izao tranga izao any amin’ny reniny izay somary lavitra any amin’ny kaominina Antsirabe Vohemar. Tonga tokoa ilay reniny kinanjo efa lasa nentin’ilay lehilahy nividy azy ilay zazavavy 12 taona. Nampandre ny tao amin’ny fokontany ilay reniny ary tao no nahafantarana ny zavatra rehetra. Omaly maraina dia nametraka fitarainana ny fianakaviana avy amin ny renin’ilay zazavavy izay efa vory maro any an-toerana ary saika nitarika ady teo amin ny fianakavian’ny rainy. Raha nanontaniana moa ny renin’ity zazavavy ity omaly hariva dia nilaza fa hiakatra any Sambava ny tenany ka hanatona ny zandary sy hemetraka fitoriana anio talata.Tranga mampalahelo toa mampiseho ny fahapotehan’ny fomba fisainana sy ny kolontsaina malagasy mihitsy ny tahaka izao, ka mila fandraisan’andraikitra haingana avy amin’ny mpitondra, ny mpanabe sy ireo raiamandreny ara-panahy sy ara-drazana. Raha izao no mitohy dia tena hifamono eto ihany Ramalagasy atsy ho atsy satria hahazo vahana ny fitsaram-bahoaka rehefa tsy mahay mandamina ny fiarahamonina ny mpitantana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.