Miharatsy ny trangana fanolanana misy eto amintsika. Raha raikely sy dadatoa na dadafara teo aloha no tena nanao izany dia efa ny Ray niteraka mihitsy ankehitriny no efa mirotsaka manao izany.
Tsy misy hafa amin’izay ny nanjo ilay zazavavy kely iray vao 12 taona monja tany Mananjary. Tamin’ny taona 2016 no nisaraka ireo nahitany masoandro, raha araka ny fanazavan-dReniny. Mankany amin’ny dadany isaky ny faran’ny herinandro sy rehefva vakansy ity tsy manan-tsiny ity noho izany. Matetika ihany koa no maka azy any am-pianarana ny Rainy fony izy tao amin’ny kilasy CM2. Indrisy anefa raha araka ny fanazavan-dReniny fa efa nanomboka tamin’izany ilay fanolanana. Efa ho 2 na 3 taona teo ho eo mantsy no niharetan’ilay zaza izany. Herinandro maromaro lasa anefa izay dia nitaraina ny nanjo azy ilay zaza. Efa simba tanteraka rahateo ny fivaviany no sady namoaka tsiranoka fotsy ka voaporofo hoy ny Reniny fa tena voaolana izy. Nitory itsy voalohany noho izany ka nosamborin’ny mpitandro ny filaminana tany Farafangana ity Ray niteraka nahavanon-doza ity. Tsy niasa tao amin’ny faritra nisy azy mantsy ilay ranamana io fa tany amin’ny distrikan’i Farafangana. Raha vantany vao tratra izy dia naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’i Mananjary miandry ny fitsarana azy amin’ny 06 jolay.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.