Actualités

RAY MPANOLAN-JANAKA Efa misy maromaro ao Antanimora


  • Alatsinainy 31 Jolay 2023

Tena tsy azo hatokisana intsony izao na dia ny Ray niteraka aza ho antsika manan-janaka vavikely. Tsara raha beazina tsy hanao fihetsika hafahafa,

tsy hanao akanjo manaitaitra, tsy hivalan-drano eo imason-dRainy ny zanaka vavy na dia mbola kely aza hisorohana ny loza mety hitranga. Mahery mantsy ny fakam-panahy indrindra raha somary mandrairay kely ilay Raim-pianakaviana toy ny fifohana zava-mahadomelina na ny fisotroana toaka. Maromaro izy ireo no efa miandry ny fitsarana azy ao Antanimora amin’izao raha araka ny loharanom-baovao azo. Nisy ireo vao nanandrana fotsiny raha nisy ihany koa ireo efa naka tsirony an-taonany maro mihitsy toy ny nanjo ilay zazavavy kely vao 10 taona monja teny Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Atsimondrano tamin’ny faran’ny herinandro teo. Voan’ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo mihitsy moa ity zaza ity vokatry ny hadalan-dRainy. Fitaka no nahazoany ny fahadiovan’ity zaza ity toy ny hoe : manao fitaisana amiko ndrii dia tsy mipipi am-pandriana intsony. Mbola mipipy am-pandriana foana mantsy ity zaza ity ka leon’ny fibedesana azy matetika rehefa ao an-tokantrano. Efa eny Antanimora moa ilay ranamana io mijinja ny nafafiny ankehitriny.
Pati
Legende : Ity ilay Ray nanolana ny zanany vavy teny Alakamisy Fenoarivo !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT