RAY MANAM-BADY ZANAKAVAVY

Fahotana faratampony amin’Andriamanitra


  • Zoma 17 Janoary 2025

Fahotana faratampony amin’Andriamanitra no sady miteraka ozona mahatsiravina ny Ray manam-bady ny zanany

vavy na ny zanany lahy, raha araka ny fanazavan’ny Pastera Heritiana Randriarimalala. Miainga amin’ny andrakandrana izy io raha ny nambarany, mitohy amin’ny faharazana ary lasa fanahy mamatotra amin’ny farany izay tsy maintsy ilana vavaka fanafahana raha te ho afaka ilay olona . Avy amin’ny fahalalana ateraky ny fampiasana internet sy ny tambajotran-tserasera Facebook no nambarany fa antony tena mampirongatra izany ankehitriny. Efa nisy ihany izany tamin’ny andron’ny Testamenta taloha raha ny nambarany saingy somary nangingina. Ny tena mampalahelo amin’ny zava-misy amin’izao anefa dia vao mainka voizinabe izy io izay notsindriany manokana fa tena fiainana sovazy ary hankafizin’ny olona maro, indrindra fa ireo olo-malaza sy mpanam-bola any ivelany any. Mitombo isa izy ireny hoy izy izay efa tsy tia fiainana ara-dalana toy ny olon-drehetra intsony fa te-hiaina zavatra hafa mihitsy. Misy anefa ireo diso fandray ka toy ny maniraka azy hanandrana ihany koa ny fandrenesany na ny fahafantarany izany raha mba mahatsapa kosa ny sasany fa tena fady izany ary tsy azo hatao mihitsy. Notsiahivin’ny Pastera Heritiana moa fa antony tsy hamakian’ny ankizy voaholana ny tranga mahazo azy tahaka ireny ny fahatsapany fa efa fiainana ilay hampiainana azy satria efa nanazarana azy fony fahakeliny. Tsy hainy intsony araka izany ny mametraka ilay tranga ho ratsy fa heveriny fa mety hatrany izany na dia hihafara amin’ny famoizany ny ainy aza.
Pati
Legende : Pastera Heritiana, Raiamandreny ara-panahy no sady mpanaraka akaiky ny fiainam-pirenena !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT