Tsy eken’ny lalàna ny hoe : « Zanako io ka azoko atao amin’izay tiako ». Voasazy ny Ray aman-dreny mamono ny zanany na dia ny naterany aza.
Voararan’ny lalàna ihany koa ny fampanambadiana tsy ampy taona, ny Ray aman-dReny mampanam-bady aloha loatra ny zanany. Mikasika ny fanaovana herisetra, indrindra ao an-tokantrano indray dia voalaza fa matetika dia ny vehivavy no iharan’izany ao an-tokantrano na dia misy ihany aza ny lehilahy iharany. Misy karazany ny herisetra dia ny herisetra ara-batana toy ny famonoana misy ratra, ny herisetra ara-pananahana toy ny fanolanana, fanerena hanao firaisana tsy an-tsitra-po na dia mpivady aza ; ny herisetra ara-tsaina toy ny fanambaniana, ny herisetra ara-pihariana toy ny tsy fanomezana na tsy fampidiram-bola ao an-tokantrano. Afaka mitory izay iharan’ny herisetra, afaka mitoroka ary tokony hitoroka izay mahita na maheno ny fisian’ny herisetra eny anivon’ny fiaraha-monina ka afaka miantso ny laharana maitso 147, laharana azo antsoina maimaim-poana ; na manatona ny Centre Vonjy etsy Befelatanana indrindra raha tsy ampy taona no iharan’ny herisetra. Marihana fa sazian’ny lalàna ny olona mahita na mandre ny fisian’ny herisetra nefa tsy mandray andraikitra fa mitaza-potsiny. Fantatra izany nandritra ny fidinana ifotony niaro fanentanana nataon’ny fianakaviam-ben’ny polisy isan-tsokajiny teny amin’ny Akamasoa Andralanitra taorian’ny fitarainan’ny mompera Pedro fa misy mpanolana, mpivaro-toaka sy rongony eny an-toerana ka manimba ny fiaraha-monina.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.