Manao tohivakana ny mari-pankasitrahana azon’ny orinasa Ravinala Airports.
Taorian’ilay prix rising Star dia norombahin’izy ireo ihany koa ilay prix ACI na Africa Environment and Sustainable Development Awards 2023, vaovao nivoaka omaly, vokatry ny ezaka nataony tao amin’ny seranam-piaramanidina ao Nosy Be. Miompana amin’ny faneken’ity orinasa ity hiaro ny tontolo iainana ao anatin’ny fotoana maharitra lovainjafy izany mari-pankasitrahana azony sy nampiavaka azy izany. Tsiahivina moa fa maro ireo paikady nampiasain’ny Ravinala Airports nahatongavana tamin’izany toy ny fanokanana ny toerana fanariam-pako, ny fiarovana sy fitehirizana araka ny tokony ho izy ny rano sy ny angovo ary indrindra ny fampiasana ny angovo azo havaozina toy ny hita ao amin’ny seranam-piaramanidina ao Nosy Be. Tsiahivina moa fa ny Ravilana Aiports dia miara-miasa malalaka amin’ireo mpandraharaha eto an-toerana hahafahana mampiroborobo ny sehatry ny toe-karena sy ny sosialy manodidina ny seranam-piaramanidina. Pati
Legende : Ireo ekipa mavitriky ny Ravilana Airports !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.