Zavon-tany ankehitriny ireo antontan-taratasy mitaraina noho ny olana ara-tany mahazo azy voarainay ao amin’ny Vaomieran’ny fanajariana ny tany sy fananan-tany ety anivon’ny Antenimieram-pirenena, hoy ny filohany ny depiote Ravelonanosy Mamy Tiana. Anisan’ny olana goavana ao anatin’izany ohatra, hoy izy, ny fisian’ny olona efa manana “titre” amin’ny tany hajariany sy misy ny trano fonenany nefa dia mbola misy koa olon-kafa afaka misitraka izany tany izany indray ka mahasoratra izany mihitsy ho azy indray. Tsy ny olana eto
Antananarivo amin’ny famarotan’ny Seimad ny tanim-panjakana sy tanin’olon-tsotra eny Nanisana eny, na koa ny raharaha Ankadimbahoaka ihany tsy akory no tonga ao aminay fa hatramin’ny avy any Moramanga sy Toamasina sy manerana ny Nosy mihitsy ê ! Mbola manankery aloha hatreto, hoy izy, ny lalàna navoakan’ny filankevitry ny governemata faha-tetezamita milaza fa hatsahatra aloha ny fandravana tranon’olona . Efa tafantsangana ankehitriny, hoy ity filoham-baomiera ity, ny kaomisiona mpanadihady olan-tany eto amin’ny Antenimieram-pirenena izay hijery amin’ny antsipirihany, voalohany indrindra, ireo antontan-taratasy fitarainana voalaza ireo, miangavy ny eo anivon’ny “Domaine” hanara-maso akaiky ity fanomezana titra ny fananan’olona efa an-taonany maro ity fa misy zavatra tsy milamina mihitsy ao anivon’ity sampandraharaha ity. Tokony hafainganina ny ministeran’ny fanajariana ny tany volavolana-dalàna mikasika ny fananan-tany eto Madagasikara fa efa natolo be tsy mifanaraka amin’ny toetr’andro intsony (hatramin’ireny “borne” mamaritra ny tanin’olona tsirairay ireny aza mbola ilay misy marika hoe “IF” lalàna Frantsay efa tany amin’ny 50 taona lasa no mbola iainana eto. Farany, tokony mba ho jerena ny fepetra arahina (procedure) hahazoan’ny olona efa nanajary an-taonany maro manoratra aminy ny tany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.