« Tsy asan’ny faritra iray ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana”, hoy ny solombavambahoaka Ravelonanosy Mamitiana, voafidy tao amin’ny distrikan’Ankazobe. Nohamafisiny fa tena nilaina ny atrikasam-paritra notontosaina tao Antsirabe, izay niraisan’ireo faritra 9 mifanila.
Matetika mantsy dia mitsoaka any amin’ireo faritra tsy misy “Opération” ny jiolahy rehefa mafana ny ao amin’ny faritra misy azy. Na izany aza dia misy ny lafin-javatra tokony handraisan’ny fanjakana fepetra mba tsy hisian’ny fitsaram-bahoaka, anisan’izany ny famerenana ny fahatokisan’ny vahoaka ny fitsarana sy ny mpitandro filaminana izay miteraka ny olona hanao fitsaram-bahoaka. Ilaina ihany koa ny fampitomboana ny mpitandro filaminana sy ny fampitaovana azy raha tiana ny hisian’ny tena fandriampahalemana. Tsy ny asan-dahalo ihany moa no tokony hiadiana raha ny nambaran’ity olomboafidy ity fa eo ny fandrobana ny harem-pirenena isan-karazany toy ny harena voajanahary sy ny ambanin’ny tany, izay gaboraraka tanteraka nanomboka tamin’ny andron’ny tetezamita. Raha ny any amin’ny Distrika misy azy moa dia efa ahitana asan-dahalo matetika tato anatin’ny iray volana, ankoatra ny fanafihana mitam-basy teo an-tampon-tanàna. Nohamafisiny moa fa amin’ny maha mpikambana azy ao anatin’ilay komity manokana vao natsangana miaraka amin’ny Primatiora dia hiady mafy amin’ity lafiny tsy fandriampahalemana ity ny tenany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.