Tsy nanao hosoka Atoa Ravelonanosy Bruno, hoy ireo tompon-tany nanome fahefana azy raha nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly.Anisan’ny hanenjehana ity
Raim-pianakaviana ity mantsy ny fanaovana hosoka sy fampiasana hosoka amin’ ny procuration, antony nampidoboka azy am-ponja nanomboka ny 03 Jona lasa teo. Nambaran’izy ireo tamin’izany fa ny fianakaviana iray manontolo no efa nifanaiky nanome ny fanomezam-pahefana azy. Tsy nanao hosoka izany izy », hoy ny fanazavan ny solontenam-pianakaviana, Ratsimarofy Daniel.Izahay no tokony hitory azy hoy hatrany ity farany raha misy mampanahy fa tsy ilay karana mpanefoefo tompona orinasa goavana eto amintsika.Tsiahivina moa fa resaka tany mirefy 34 ha eny Antanandrano no fototry ny olana izay hifanandrinan’ireto tompon-tany ireto amin’ity karana mpanefoefo ity ka nanomezan’iretsy voalohany fahefana an-dRavelonanosy Bruno hisolo tena azy ireo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.