Actualités

Ravelonanosy Bruno Nolavin’ny Fitsarana ny fangatahana fahafahana vonjimaika


  • Talata 15 Septambra 2020

Omaly no niakatra teny amin’ny Fitsarana ilay fangatahana fahafahana vonjimaika ho an-dRavelonanosy Bruno naiditra am-ponja ny 03 jona lasa teo noho ilay raharaha ady tany eny Antanandrano Ambohitrarahaba mirefy 34 ha.

 

 

Raha araka ny fanazavan’ny mpisolovava an-dRavelonanosy anefa dia efa atahorana be ny fahasalaman’ity farany amin’izao. Miakatra be ny tosi-drany, marary ihany koa ny fony ary mivonto ny tongony. Ankoatra izay dia mihamahia andro aman’alina izy ankoatra ilay aretina diabeta laharana fahatelo efa mahazo azy.Efa in-telo nangataka ny hamoahana azy eny hotsaboana eny amin’ny hopitaly ny tompon’andraikitra eo anivon’ny fonja raha ny fantatra saingy tsy mbola nahazo izany izy hatreto. Ahiana mafy araka izany ny ain-dRavelonanosy. Nambaran’ireo mpisolovava azy izay nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly fa ahiana misy tsindry ao ambadik’ity raharaha fitazonana an-dRavelonanosy any am-ponja ity. Efa ireo tompon’ny tany mihitsy mantsy hoy izy ireo no nanamafy fa izy no nanome procuration an-dRavelonanosy fa tsy nanao fanomezam-pahefana hosoka izany ity farany noho izany tsy misy antony tokony hitazonana azy any am-ponja intsony. Na izany aza dia hanohy hatrany ny fangatahana fahafahana vonjy maika ho an-dRavelonanosy izy ireo mandrapisian’ny fanadihadiana lalina.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT