Actualités

Ravelojaona Andry La Pie Hanome rano tsy andoavam-bola 5 andro ny vahoaka eny Manarintsoa hatreny Andohatapenaka


  • Alarobia 25 Jona 2014

Noho ny fahatongavan’ny fetim-pirenena sy araka ny dinika nifanaovana tamin’ny fokonolona isan-tsokajiny omaly talata dia tapaka fa hanolotra rano tsy aloa vola antsakaina amin’ny paompim-bahoaka ho an’ny mponina amin’ny fokontany maromaro ao amin’ny Boriborintany voalohany eto an-drenivohitra manomboka anio alarobia 25 jona ka hatramin’ny alahady 29 jona 2014 Atoa Ravelojaona Andry La Pie mivady.

 Voakasik’izany koa ny rano fanasan-damba amin’ireny toerana misy paompin-dranom-panjakana ireny satria haloan’izy mivady ireto avokoa ny sandan’ny ho lany amin’ireo andro ireo. Ireo fokontany any amin’ny faritra iva tahaka ny eny Manarintsoa Isotry, Andranomanalina sy Andohatapenaka  iny no voakasik’ity hetsika ity miampy an’i 67 ha rehetra sy Antohomadinika manontolo. Nidina tamin’ireo toerana voalaza ireo mihitsy moa Atoa Ravelojaona Andry mivady nanomboka omaly nampilaza ny mponina ny amin’ity fanampiana azy ireo nataony ity. Hetsika efa mahazatra ary efa fanaonay, hoy i Andry La Pie ny fanampiana mpiara-belona raha mbola misy ny azo atao, ary mbola tsy hitsahatra ny hitady izay hahafahana manampy na koa mampihena farafaharatsiny ny fahasahiranana andavanandron’ny mponina manodidina anay izahay. Nambarany fa hitarina amin’ny lafim-piainana hafa tena manahirana ny vahoaka ny fanampiana amin’ny manaraka.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT