Lohahevitra nosafidian’i Nanando na Ravaonoronjanahary Ando Tiaray izay hankalaza ny faha-15 taona nanoratany tononkalo ny “Fitiavana kaloina”.
Fampisehoana antsa tononkalo izay horavahin’ny hiran’ny Tarika Ravelo Jean Baptiste fantatra amin’ny gadona bà gasy sy hira fitiavan-tanindrazana. Hotanterahina anio zoma 20 jona 2014 amin’ny 4 ora hariva ao amin’ny Ivokolo na ny CEMDLAC Analakely ny fampisehoana. Nosafidiany ny volana jona izay tafiditra anatin’ny fankalazana ny iray volan’ny teny Malagasy sy ny fetim-pirenena, mba hamohazana indray ny afon’ny fitiavan-tanindrazana ao am-pon’ny Malagasy sempotry ny krizy politika sy ny adim-piainana, kanefa na misy aza izany, azo atao ny mijoro ho olom-pirenena vanona, ho mpanasoa fa tsy ho mpanimba tanindrazana, hoy i Nanando.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.