Ravalomanana sy Siteny

Any Nosy Be manome voninahitra farany an’i Ninie Donia


  • Alakamisy 23 Novambra 2023

Tonga naneho fiaraha-miory eo anatrehan’ny fahalasanan’ny mpanakanto Ninie Donie

tao Nosy Be Hell Ville ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny depiote Siteny Randrianasoloniaiko ny andron’ny omaly. Nitondra teny fampiononana ho an’ny fianankavian’ity mpanakanto sady mpanao politika izay nodimandry ity. Anio no handevenana azy, ka isan’ny hanome voninahitra an’izany izy mirahalahy mianaka ireo. Tsara hatrany moa ny mampahatsiahy, fa ankoatra ny mpanakanto azy, dia mpitolona, mpanao politika,… i Ninie Donie ka isan’ny nahafantarana azy ny naha kandida ho Depiote azy tamin’ny anaran’ny TIM ny taona 2018, mpitarika ny RMDM Nosy Be, ary isan’ny raharaha nahatonga ny fanagadrana azy ny fijoroany niaro ny vahoaka teo anatrehan’ny voalaza fa nakana ny tanin’izy ireo. Volana vitsy lasa izay, nandritra ny fandalovan’i Siteny Randrianasoloniaiko tao Nosy Be nanao ny Mihava Tour, ka nitsidihany an’i Ninie Donie tany amin’ny Hopitaly no namerenana azy ny androtr’iny tany am-ponja, izay toa nanamafy sy naneho fa misy antony ara-politika ny nampijaliana azy. Tsy tany Nosy Be ihany, fa nisy ihany koa omaly teto Antananarivo ny fanateran’ireo solontenan’ny vehivavy mpitolona fehezam-boninkazo ho fahatsiarovana azy, natao tetsy amin’ny tsangam-baton’ny mahery fo etsy Ambohijatovo.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT