Ratsisetraina Ollie Ollie

«Tsy miaraka ny hoe fampandrosoana sy tsy fanarahan-dalàna»


  • Alakamisy 18 Jolay 2024

Isan’ny zavatra tena ilain’ny fiarahamonina malagasy ankehitriny ny Fanabeazana,

hoy ny filohan’ny fikambanana na «association» Manampy, Ratsisetraina Ollie Ollie. Voakasik’izany daholo, hoy izy, na ankizy na lehibe na tanora na antitra. Miroso hatrany amin’izany hetsika fanabeazana izany ny association Manampy satria liam-pivoarana sy fampandrosoana. Nofinofy ihany izany fampandrosoana tsy misy fanabeazana izany. Miara-miasa akaiky amin’ny Coalition FGE izahay amin’iny resaka fanabeazana iny dia mahazo fifanarahana matetika amin’ny resaka atrikasa momba ny atao hoe «clarification des valeurs» na fanasongadinana ireo soatoavina izay hanentananay mpandray anjara isan-karazany entina ampitaina amintsika malagasy hoe izao no fomba fitondran-tena ho an’ny tanora, ny resaka fanabeazana maha olompirenena na «civisme» satria rehefa voavehy anatina fitsipika na «discipline» sy miaina izany ianao dia mazava ho azy fa manarangarana koa ny fampandrosoana. Raha miaina anaty tsy fanarahan-dalàna kosa nefa mitsinjo fampandrosoana dia mifanohitra ihany izany. Tsy miaraka ny hoe fampandrosoana sy tsy fanarahan-dalàna, hoy hatrany ny fanazavan’ity filohana fikambanana ity.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT