Actualités

Rasolonjatovo Jean Michel Nodimandry ilay Mpitsara nikoizana


  • Alatsinainy 04 Septambra 2017

Nodimandry ny sabotsy 02 septambra teo i Jean Michel Rasolonjatovo, mpahay sy mpampianatra lalàna sady mpitsara niasa tao amin’ny Fitsarana momba ny fitantanambolam-panjakana (Cour des Comptes). Efa diplaomaty ihany koa izy.

Ny raharaha 2002 no tena nahafantarana azy satria anisan’ireo mpitsara ambony nampanao fianianana an’i Marc Ravalomanana teny Mahamasina ny tenany ny 22 febroary 2002. Nametraka fitoriana, ka nahafoana teny amin'ny « Chambre Administrative de la Cour Suprême » ny didim-panjakana fanoloana tampoka nataon'ny filoha Ratsiraka ny mpikambana tao amin'ny HCC, nialoha ny fifidianana filoham-pirenena natao ny 16 desambra 2001. Mahitsy fiteny ny tenany manoloana ny zavatra tsy mety teto amin’ny firenena, ary hita hatrany temin’ny fitadiavam-bahaolana hanavotana an’i Madagasikara. Nahafantarana azy, ohatra, ny hetsika fitakiana ny marina sy ny rariny momba ny raharaha fanonganam-panjakana ny taona 2009 ireny. Niady tamin’ny fanoherana ny « ni…ni… » ihany koa tamin’ny fifidianana teto amintsika ny taona 2013, ary sahy nifanatrika nivantana tamin-dry Joachim Chissano, iraky ny sehatra iraisam-pirenena tao amin'ny Colbert Antaninarenina tamin’izany fotoana. Nanangana ny fikambanana Harena Madagasikara hiaro sy hikolokolo ny harem-pirenena ihany koa taty aoriana. Ampahany ihany ireny, fa maro ireo asa sy fanasoavana ny firenena nahafantarana azy. Very olomanga, araka izany, ny firenena amin’izao fahalasanany izao. Ny gazety Tia Tanindrazana dia miombon’alahelo, ary mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany manontolo.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT