Nambaran’ny Zanak’i Vangaindrano monina eto Iarivo nosoloin-dRasambozafy Cyrille tena tamin’ny firesadresahana tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny 67 ha tamin’ny talata 19 mey lasa teo fa misy olona ahiana ho mitondra ny
tsimokaretina covid-19 tonga any Vangaindrano. Valovotaka any Toamasina nanaraka fiara nitondra razana nentina tany Vangaindrano ity olona ity. Efa natoka-monina any an-toerana izy ankehitriny ary miandry ny valin’ny fitiliana natao taminy avy amin’ny fitaovana nandrasana avy any Farafangana fa tsy manam-pitaoavana hoenti-miatrika amin’ny ady amin’ny covid-19 ny any Vangaindrano. Tsy tokony atao ohatran’izany anefa ny fandefasana fitaovana any amin’ny Faritra samihafa manerana ny nosy hiadiana amin’ity covid-19 ity ka hasiana zanak’Ikala hafa, hoy hatrany Atoa Cyrille. Nambarany ihany koa fa tsy tokony hisy avela hitondra razana mitety na miampita Faritra izany intsony amin’izao fiatrehana ny “confinement” izao fa lasa ataon’ny sasany ho bizina hitadiavam-bola izany. Olon-kafa tsy handeha handevina akory mantsy no fantatra fa miaraka amin’ny fiara mitondra razana io ka 100.000 ar no saran-dalan’ny olona iray avy any Toamasina mankany Vangaindrano. Nandray fepetra avy hatrany ireo olobe any an-toerana ka namoaka didy fa izay tratra mitondra razana any Vangaindrano manomboka izao dia hampadoavina 5.000.000 ar avy hatrany miaraka amin’ny tompon’andraikitra nanome alalana an’izany any an-toerana.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.