Raobelina Andry

Aza omena ny CENI ny.....


  • Alarobia 13 Mey 2026

34 miliara Ariary hanavaozana lisi-pifidianana

Naneho ny heviny i Raobelina Andry taorian'ny fanapahan-kevitry ny fanjakana hirosoana amin'ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana hataon'ny CENI. Nanao ranty manokana ity Filoha Nasionalin'ny antoko Anjomara sy Rivo-baovao - ARB ity nilazany fa maro ireo fanapahan-kevitra lehibe tokony hiandry ny fikaonan-doham-pirenena, ka anisan’izany ny mikasika ny CENI. Nametra-panontaniana ny tenany manao hoe : "Ahoana moa no hanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana ao anatin’ny 12 volana ? Tsy adino ary tsy voafafa akory ireo zava-nitranga sy ny nataon’io andrimpanjakana io nandritra ireo fifidianana nifandimby teto amin’ny firenena, izay anisany nampiditra an’i Madagasikara tao anaty krizy". Mangataka amin’ny fitondram-panjakana ny tenany sy ny antoko ARB tarihiny mba "tsy hamoaka ilay vola 34 miliara Ariary kasaina hanatanterahana izany fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana izany". Fa maninona moa, hoy izy, no tsy ampiasaina ireo angon-kevitra efa azo avy amin’ny fisoratana anarana "biométrique" izay efa mandeha ankehitriny ? Efa mandeha ihany koa ny fanisam-bahoaka NUIS ho an’ny mpianatra. Raha ampifandraisina sy ampiasaina ireo tahirin-kevitra ireo, dia afaka miditra ho azy ao anatin’ny lisi-pifidianana ny olom-pirenena vao feno 18 taona. Miantso anareo tanora handray anjara mavitrika amin’ny fikaonandoham-pirenena izay ho tanterahina, i Raobelina Andry ary hanamafy mandritra izany ireo hevitra efa nentina teny an-kianja.
Nangonin'i Jean D.

Raobelina Andry, Filoha nasionalin'ny antoko Anjomara sy Rivo-baovao - ARB
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT