Ranotrambo nampidi-doza

Mpivady nandeha moto niara-namoy ny ainy


  • Alatsinainy 17 Febroary 2025

Mpivady iray nitaingina moto no tratry ny ranotrambo teny afovoan’ny reniranon’ Andriantany, ny

Zoma 14 Febroary lasa teo tokony ho tamin’ny 08 ora alina. Raha araka ny fantatra dia avy nivarotra tany Ambohitompoina toy ny isan-kerinandro izy roa ireo. Rehefa niampita ny rano teo andrefan'i Velomanga Fokontanin’Ambatolampikely, Kaominina ambanivohitr’Ambatomiady Distrikan’Antanifotsy anefa izy ireo dia tonga tampoka ny ranotrambo ka lasany izy mivady. Afak’omaly Sabotsy 15 Febroary tamin'ny 09 ora maraina vao hita ny nofo mangatsiakan'izy roa ary hita ihany koa ny moto nentin'izy ireo. Namela kamboty misa 2 izy ireo hoy ny vaovao. Miara-alevina anio Alatsinainy ny razana hoy hatrany ny vaovao azo. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana.
Pati Legende : Ny vatana mangatsiakan’izy mivady !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT