RANON’ORANA VOALOHANY

Babena sahady ireo mpianatra sy olon-dehibe ao Andranomanalina


  • Alarobia 23 Oktobra 2024

Vao tamin’ny Sabotsy 19 Oktobra lasa teo no nanomboka nirotsaka ny ranon’orana teto amintsika

dia faritra iva maro sahady no efa dibo-drano teto an-drenivohitra. Ankoatra an’i Besarety izay efa tsy mahagaga intsony dia efa babena sahady ihany koa ireo mpianatra handeha hianatra sy ireo olon-dehibe efa nahazo taona rehefa hivoaka ny trano ao Andranomanalina, Boriborintany voalohany. Tapitra miangona eny amboditrano sy elakelan-trano avokoa mantsy ireo ranon’orana nilatsaka rehetra vokatry ny fahantsentseman’ny lakan-drano. Ny tena loza hoy ny solontenan’ny mponina dia tsy vitsy ireo latsaka any anaty dalle. Efa tapitra niala ihany koa mantsy ny ankamaroan’ireo sarona dalle ao amin’ity tanana ity izay ahiana hamoana olona mihitsy mandritra ny fotoam-pahavaratra. Voatery nandray ny andraikiny ka nanao asa tana-maro izy ireo vokatr’izany nanomboka tamin’ny Alatsinainy. Olona manodidina ny 120 isa isan’andro no mirotsaka manadio tata-drano mirefy 300 metatra. Tanjon’izy ireo ny hiarovana ny mponina amin’ny loza mety hitranga ateraky ny rano miandrona etsy sy eroa indrindra fa ny firodanan’ny trano fonenana.
Pati
Legende : Tahaka izao sahady ny manjo ireo mponina ao Andranomanalina !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT