RANON’ORANA

Hiverina hirotsaka rahampitso zoma


  • Alakamisy 24 Oktobra 2024

Hiverina hirotsaka indray ny ranon’orana eto an-drenivohitra sy any amin’ny tany avaratry ny Nosy

rahampitso Zoma 25 Oktobra. Vinavinan’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro izany izay mbola tafiditra ao anatin’ilay orana manasara-taona hatrany mialohan’ny hidirantsika tanteraka any amin’ny vanim-potoanan’ny hafanana. Mila miomana amin’ny fitafiana hanaovany ny tsirairay manoloana izany. Mbola tena misy sy mamely hatrany mantsy ny gripa mahery sy ny tazo amin’izao indrindra manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro izay tsy zakan’ny toe-batan’ny maro intsony. Tsiahivina moa fa tamin’ny Sabotsy 19 Oktobra teo no nirotsaka voalohany ny ranon’orana teto afovoantany. Na izany aza dia faritra iva maro teto an-drenivohitra sahady no efa dibo-drano antony mampanahy mafy ny amin’ny hisian’ny tondra-drano raha tsy misy ny fandraisan’andraikitra toy ny hataon’ny Kandida Tahiana Razafinjoelina.
Pati
Legende : Mila miomana amin’ny fitafiana tahaka izao ny tsirairay mba tsy ho tampoka ny orana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT